Iny izy iny (Herilanja RANDRIAMANGA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny izy iny, iny ilay notiaviko mangina,
Ilay nanaitra izato foko zary feno fanirina,
Ilay tara-pahazavana avy atsinanana iny,
Ilay niantefa tany am-poko, fo tsy nanantsiny.

Ny masoko mibanjina, mandinika azy eo,
Dia indro fa talanjona, mankafy izay fietsik’eo.
Ny bikany, ny hatsarany, ny famindrany toy izany,
Manontany tena aho izay mety an-dohany any.

Moa hitany ve aho, moa fantany ny fisiako,
Moa mba hoekeny ve raha ilaza izany faniriko,
Ahoana no hasetriny izany ventsom-poko tia,
Ahoana no havaliny sao tsy hotiany aho sanatria.

Izao anifa tia fa tsy mbola sahy niteny
Mikalo ilay fitia izay mbola tsy nomeny.
Koa eto aho androany mandinika izany.
Hiroso foana ihany dia hohita eo izay hiafarany.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
91 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Herilanja RANDRIAMANGA
Nampiditra : Hianja
Daty : 30/01/2025 16:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0143