Iza ianao... (Herilanja RANDRIAMANGA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iza ianao ry ‘lay mazava
Zay miposaka atsinanana
Ka manjelatra tsy tantiko?

Iza ianao ry ‘lay mafana
Te-hanova ny fisainana
Ka manaitra ny ao anatiko?

Iza ianao ry rahoviana
No hahalalako ny tena marina
Ka hanavaozako ny fiainana?

Iza ianao ry any aoriana
Zay tiako hofantarina
Nefa tsy azoko hihoarana?

Iza ianao ry fanahiko
Zay mitady tsy ho tamana
Fa te-hahita ny mangirana?

Aiza ianao ry Jesoa Tompoko
Zay mpamela fahotana
Ampio aho re fa sahirana ?
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
80 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Herilanja RANDRIAMANGA
Nampiditra : Hianja
Daty : 31/01/2025 08:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0146