Malalako any lavitra any (Herilanja RANDRIAMANGA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hoy ianao hoe Tiany hono aho…
Nefa izaho mbola mahatsiaro irery.
Tiana ve dia hiaina ohatr’izao,
Malahelo lava sady manirery.

Dia miasa saina ianao indrisy noho izany,
Nefa tsy mahita izay tokony hatao,
Fa tsarovy foana anefa na dia misy aza izany,
Izaho anie aty ka mbola tia anao.

Tsy ny elan’elan-tany no afaka hanafoana,
Izay mitoetra ao am-po, rehefa tena tia,
Izany rehetra izany tsy ravan’ny fotoana,
Fa sarobidy loatra ilay hoe mifankatia.

Dia ahoana hoy ianao izany hoe Tia ahy,
Izany hoe malalako any lavitra any,
Aza miasa saina ary aza miahiahy,
Fa hoitantsika eo foana ny andaminana an’izany.

Tsy hoe tsy tia akory ka hiala izay teninao.
Tsy mahatsiaro ory ka mandrimandry ny aina.
Saingy ny ao anatiko izay efa fantatrao.
Dia marary loatra anao, ny foko sy ny saina.

Tsy vao izao ihany koa isika miaina izany,
Sedra efa maro no nandalo teo,
Fa mbola vitantsika ny miaona foana ihany,
dia mifankatia, tsy mifankaleo.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Fitiavana
190 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Herilanja RANDRIAMANGA
Nampiditra : Hianja
Daty : 31/01/2025 08:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0165