Mbola hoavy aho... (Herilanja RANDRIAMANGA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manan-tiana a ! Raha voarainao ity taratasiko ityDia solotenako foana ihany izy fa izaho kosa mbola aty,
Mbola aty an-tany lavitra mitady izay mahasoa,
Mikatsaka ilay nampanantenaiko, ilay hoavy mety amin-tsika roa.
Tehirizo foana ihany ireo taratasy rehetra nalefako any
Ka raha tojo alahelo ianao dia ireo vakina dia aza tomany
Dia ilay sarin-tsika roa nampiaraka teny an-tsapan-drano iny
Jereo anie iny fa nahatsiaro tena sambatra aho tamin’iny
Manan-tiana a ! Henoy anie fa holazaiko anao,
Fa ny fotoana rehetra niarahako taminao dia ao an-dohako ao
Na ilay teny ilafy, na ilay teny Ambohimanga, na ilay tany Tsimbazaza
Indrindra moa fa ilay teny an-tanimbary niresaka ny isan-jaza.
Mitsiky foana aho rehefa mahatsiaro ilay teny amboromailala,
Ilay nitory ny fitia toa zary tena ka lazainao fa adaladala,
Tsongo re izany no mba valim-pitia hany ka lasa haniany,
Ka hoy ianao nony nody aho, mampamangy any amin’ny rafozako any.
Manan-tiana a ! Hany hafatro dia aza manadino
Maro ny lokaloka izay nataoko ary izaho dia tena mbola mino
Tsy hofoana akory ireo fikelezan’aina izay niarahana natao,
Vitantsika foana ihany ary mino foana aho fa mbola hovitanao.
Kely sisa aky a, izay maharitra hono vadin’andriana,
Hay mo izaho ilay mila miharitra fa vadin'i Manan-tiana,
Eny e, mino aho fa mbola tia ahy ianao ary izaho koa mbola tia anao.
Miandry kely sisa fa efa hody i Dada an, Mbola hoavy aho.
--------
Rohy: