Nofy ve (Herilanja RANDRIAMANGA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nofy ve hoy aho sa zava-misy marina...?
Sa zava- misy mbola hisy ka tokony hofantarina..?
Ilay alokao niserana nandravaka ny alina..
Tao anaty nofy mamy, fahitana tena lalina

Satriko tsy hifoha fa hiaina tany ihany,
Fa henin- kasambarana aho ary tsy nisy toy izany.
Ianao ilay nibanjina sy nanoroka avy hatrany,
Namboraka fitia miaro teny many.

Nobataiko ianao dia nofihiniko avy eo,
Fahasambarako hoy ianao ny eo anilako eo.
Ny fidoboky ny foko avo roa heny,
Ny vavako nakomboko fa tsy nahasahy niteny.

Nofy, nofy ve hoy aho fa zary toa haiko,
Nanaitra ny ambom-poko sy ny haranitan-tsaiko.
Aloka nanjaka ny tontolon'ny fisainako.
Hosainiko matetika mandritra ny androm-piainako.
--------
Lien:
Catégorie : Eritreritra mandalo
258 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117