Ny fitiavako (Herilanja RANDRIAMANGA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa im-polo niova angaba ito felam-bonikazo,
Fa vao nisy mba nitsanga dia nilofika nalazo
Efa impiry koa no nivadika ny taona
Be ny zavatra nifoha fa izay nisy lasa foana

Zay nambolena ka naniry niroboroba vetivety
Tsy nahari-taona firy no nilofika sy nihetry
Fa ny fitiavana ‘zay nokaloiko, nivoadiko hodoria
Tsy mba nety niova loko, na nihena sanatria,l

Fa vao maika nihamahery, lalim-paka sy nitombo
Ny voady rehetra tsisy very fa voafatsika tato am-poko
Tato an-tratrako ankavia, tato am-poko mitempotempo
No niforina ilay fitia, zay tsy nitsonika na nihempo

Fa ny rà mikoriana, izay manerana ny tena
No maneho faniriana, ho fitia tsy azo hosena
Ka na taona firy koa no mbola hifandimby indray
Ny fitiavako ato am-poko, hodoria mandrakizay
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
188 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Herilanja RANDRIAMANGA
Nampiditra : Hianja
Daty : 31/01/2025 09:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0272