Raha vao ... (Herilanja RANDRIAMANGA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha vao nahita anao aho dia henoko sahady,
Misy hafanana avy ao natiko ao,
Teo aho dia nangina ary vonona ny hiady
Ka hanao izay fomba rehetra mba azahoako anao

Raha vao nifanojo ny masontsika roa,
Dia tsy hitako intsony ny tontolo ankoatranao,
Injao fa miakatra ny fidoboky ny fo
Hany aho ka jamban’izato hatsaranao,

Raha vao nandray ny tananao ny tanako,
Dia nangovitra tsy niato ny vatako tontolo
Izay kasianao dia mihovitra tsy tanako,
Toy ny marary aho sy mitsangan-bolo

Raha vao nanoroka ny molotrao ny molotro
Dia tsapako ny tsiron’izany tena tia,
Izay aho vao tony ka indro fa atolotro,
Ny momba ahy rehetra ho valim-pitia.
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
174 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0135