Ry lala (Herilanja RANDRIAMANGA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry lala, any ambadimbadika any misy voankazo iraySady manitra no mamy, no mahafinaritra ahy
Izy loko hafakely izay nanintona ny maso
Toa somary mavokely sady lavitry ny ankaso
Izy tsiro vaovao zary tsy afaka ato am-bava
Lasa tiako mihoatra anao nefa tsy haiko manazava
Izy rivotra madio mamelombelona ny aina
Zay namafa sy nanadio ary nanavao ny herin-tsaina
Izy toy ny hazavana, toy ilay masoandro vao maraina
Izay mitory hafanana ary nitondra hery tsy hay tohaina
Izy tsy nihambahamba raha vao nahita ahy
Efa fotoana maro angamba, no hiarahanay
Matetika aho mantsy avy any, no mamonjy anao aty
Na mifamadika amin’izany, avy aty dia mankary
Izy tiako ianao tsy foiko, nareo mitovy tsy sahala
Ny mandreraka ny foko, dia ity safidy manadala
Koa indro ianao fa mahalala, ny zava-misy sy tantara
Koa raha toa moa ianao ka te-hiala, tsara tso-drano, vao maika tsara ;
--------
Rohy: