Ry vadiko. (Herilanja RANDRIAMANGA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry vadiko,
Atao ahoana aky ity fiainantsika roa,
Fa zary mankahia sy mahavaky loha ?
Mahalasa saina ahy foana hoe atao ahoana ary,
Fa zary mankanoana no mbola mankarary ?

Ry vadiko,
Atao ahoana ka mba hampetipety azy,
Fa voninkazo iray no mba anaty vazy?
Tsisy ny harotsaka ary tsy misy ny hataina,
Lany izay nangotraka nefa tsisy azo hantenaina.

Ry vadiko,
Oviana vao horitra izany ranomaso,
Fa zary mangatsiaka ity tokatranomaso?
Ny ngidin’ny tomany toa tsy mety vita,
Ilay omaly sy ny androany nefa niarahana nahita.

Ry vadiko,
Oviana vao hotapitra ito fahatrana,
Fa efa ela aho no niharitra fa toa nihanahana
Tsisy fiovana na dia niezaka ny tena,
Fa lavitra ny Tanana no misy ilay harena.

Ry vadiko,
Angamba any ho any no misy ilay andrasana
Fa efa lany mamy ilay teto am-pelatanana;
Any nefa aiza fa mahavaky loha,
Fa reraka aho mitaiza ireto zanantsika roa.
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana - Fiainana
241 0
Commentaires
Hianja ( 11/04/2025 09:41)
Tononkalo nosoratana tao anatin'ny tetezamita tamin'ny taona 2009.. Fangatahana ataon'ny nosy Madagascar hoan'by filohan'ny tetezamita tamin'izany izy ity noho ny fiainan'ny vahoaka malagasy zanany izay efa mahantra sy noana...
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0114