Sary iray sisa (Herilanja RANDRIAMANGA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sary iray sisa tavela ato anatin’ny diarySary iray ataoko fanalana sorisory
Fakako herin-tsaina rehefa iny aho sendra marary,
Fanembonako anao rehefa izaho hatory.
Indray folak’andro somary nisy rahona
Ianao naka sary teo andavarangana.
Pataloha jeans sy akanjo fohy tanana
Manao solomaso, somary mihorirana
Loko mangamanga magneva taminao
Ny bika sy fijoro dia tena tsisy tsiny
Ny hatsaran-tarehy izay tena anananao
Raha omena salanisa dia dimy ambonin’ny dimy.
Dia misento foana aho mandinika ity sary
Maminavina ahy mitoetra anilany eo,
Asiko tsiky kely dia tena lavorary
Izany hafaliako nony avy eo.
Dia miova fiakanjo ary miovaova paozy,
Izay mety ho fihetsika dia nandramako avokoa,
Izany foko izany somary daozidaozy,
Maka sary an-tsaina ho sarin-tsika roa.
Tapitra ny anio fa aleo matory amin’izay
Averiko amin’ny toerany amin’izay ity sarinao,
Efa ampy angamba fa aleo rahapitso indray,
Alohan’ny hatory, ora tahak’izao.
--------
Rohy: