Sitrakao ve ny hanambady ahy (Herilanja RANDRIAMANGA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Etsy ange ianao hoe, omeko teny mamy,Ilazako ventsom-po, avy any anatiko any.
Efa fantatrao fa averiko ombeny ombeny.
Afa ny nataoko fa afa ihany koa ny teny.
Avia akaikiko eto hiventesako azy
Tsy lainga velively na koa hoe vazivazy,
Fa teny am-pahamatorana, tenin-dehilahy,
Tsy mivadim-pitokisana, fa satria anadahy.
Eo ilazako azy fa efa ataoko voady,
Maro ny vehivavy, fa ianao no faka-vady
Henoy tsara ary aho dia aza asina andraso
Omeo ny tananao ary akipio ny maso
Fa Mamy anie hoa izany hoe fo maneho fitia
Ilay fo maneho fitia, ilay hoe mitia an-dry
Miaina fahasambarana, sady eo no eo,
Indrindra moa fa hoe ianao anilako eo.
Ny taratry ny masonao mibanjina ahy
Manintona ny masoko, mambabo ny fanahy
Ilay tsikitsikinao toa milaza sahady
Tena tiako ianao, tiako alaina vady
Zay teny lazainao, ny feonao milanto,
Indrindra moa raha mihira, dia tena zava-kanto,
Ny bikanao madama , averiko im-polo
Fa ny momba anao rehetra, dia tiako manontolo.
Ze nofinofinao dia azoko hotanterahina,
Ny dia-tongotrao no tiako arahina,
Ny fiainako rehetra dia miodina aminao,
Ny anaran-janako aza, asiko ny anaranao.
Tsy fanahiniako akory raha toa milaza ihany
Fa te-ho lehilahy sambatra indrindra eto an-tany.
Koa mba hekeo re izay faniriako izay.
Sitrakao ve ny hanambady ahy
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana