Tsy nolazaiko anao... (Herilanja RANDRIAMANGA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy nolazaiko anao fa iny hariva iny vao nifandao isika roa...
Dia nofohazinao indray ilay fo efa nivoady ny tsy hitia intsony...
Nataonao fantany fa raha mbola nofo koa ny fo...
Dia tsy afaka ny hametra izay tsy azony fehezina, fa ny fitiavana no ambony...

Tsy tiako hofantatrao fa vao lasa ianao iny...
Niventsoventso foana ilay fo tsy mety fay...
Nisavasava ny diary nisy sarinao fahiny...
Te hanoratra hoanao, ataoko ahoana indray...

Fa raha mba tsapanao izany hiainako izany...
Angamba hofeheziko ho ahy samy irery...
Fa tsy anjarako ianao fa anjaran'olon-kafa...

Ka tsy hotongako any akory fa am-poko foana ihany...
Ilay fitiavantsika anie tsy natao an-tery..
Nofinofy tsy tanteraka sy fanirina tsy kinasa...
--------
Rohy:
Sokajy : Embona
13 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Herilanja RANDRIAMANGA
Nampiditra : Hianja
Daty : 08/02/2026 16:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0126