Tsy ny nofinofy ihany... (Herilanja RANDRIAMANGA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ny nofinofy ihany,
Raha ilay tamin'izany,
No tiana iarahana,
Ka hotanterahina...

Nijoro foana izaho,
Dia nanohana ianao,
Ary roso izany dia,
Fanilo ny fitia...

Noresena ny hatsika,
Nofenoina hafanana,
Fa ilay tokatranontsika,
Noho tena nahatamana...

Faniriana ny soa omban'ny Avo,
Ny valisoa no fisandratana,
Tsy tohaina izay omban'ny soa,
Isika roa mifampitantana...

Tsy vitsy ny sedra tao,
Mbola maro no ho hita,
Fa ilay Ray ao ambony ao,
No mitantana ny fiainantsika.
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
129 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.023