Ventson'olon-tia (Herilanja RANDRIAMANGA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any izy izao? mba mihaino ahy ve?
Sa mody fanina trotr’izao, fa mety mba mandre?
Angamba mora loatra, zato kalokaloko
Ka tsy tafiakatra ny vohitra, fa tsy nanakoako

Dia fa maninona ary, no dia tsy mamaly
Sa efa nahita sary, ka nanadino ‘lay omaly
Tsia, tsy mino ‘zany aho, a fitia tsy kilalao
Dia eto aho no miandry saingy tsy tafandry

Dia nankariko ho avo ‘lay feo fa iva, fa sao horeany ihany
Ty kalokalo harivariva, lay hirahira soa sy torimaso mamy
Dia aleoko mangina, fa fitia tsy vazivazy
Ka ny ventson’olon-tiana, no hamaranako azy

Nefa indro fa niverina, niverina ho ahy
Lay feoko ‘zay niserana tsy te-hamitaka ahy
Dia nokoboniko mora tato am-poko fa toa tsy namaly
Sa efa mana-tompo ka nanadino sahady

Zary mahandreraka ka aleo mandray penina
Ary raisina an-takelaka izay mba ala-nenina
Koa raha tsy misy ny diary handikako ‘zay haverina
Dia ataoko sarisary izay tsy haiko hotenenina

Eny e! sa izaho no mahatsiaro loatra sy diso mimonimonona
Na ny foko no te-hitraotra fa tsisy mampionona
Koa vavaka hoazy no hokaloiko anio
Dia ‘lay raozy mila vazy izay re no tadidio!
--------
Rohy:
Sokajy : Embona
118 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Herilanja RANDRIAMANGA
Nampiditra : Hianja
Daty : 31/01/2025 08:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0634