TONTOLON'NY POETA - hjravs
Azo vakiana?
TONTOLON'NY POETA
Ny habaky ny kanto irifany hotratrarina
sy hanovoza-nofy,
dia lanitra tomefin'ny hazavana marina,
handroaka ny haizin-drofin'
ny farasisan'ny filana sy fanirian'ny nofo!
Ny vohitra kinatsany iriany hitoerana
hiotazana fitia,
dia tany dibo-drariny, tanĂ na fanamperan'
ny fanahy tsy mahay mania,
Tsy mahalala fitaka na loko mety miofo!
Fa tontolo manan-kasina fady zava-betaveta
ny tontolon'ny Poeta.
Hj Ravs (Kanto Arindra Tak. 8)
Sokajy :
Fitiavana, Kolontsaina
Hevitra mandeha
andry 1000 (25/04/2015 04:48:09)
tena mila vakiana indroa na intelo mihitsy vao azo ny hevitry ny tononkalonareo a! fa tena lalina be sy tsara le kantonao ry HJRAVS a! tena manana fomba fanoratana sy aingam-panahy hafa mihintsy nareo ka...nareo angamba mpaka fy rabearivelo e!?
hjravs (29/04/2015 08:58:03)
Mombamomba
Mpanoratra : hjravs
Nampiditra : hjravs
Daty : 26/03/2015
Mpamangy : 1259
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
A F A P O T O R YAMIN'ILAY MISY, Sa AMIN'ILAY TSISY...
FITORIANA
LOKO TOKANA
14 febroary
KILASIMANDRY
TRANGAM-PIAINANA
Tantara
ALEOKO
5/5