ANJARA (IARANTSOA Mahefa)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rendrika sahady itsy zokiko itsy
fa reraky ny taombiriky sy ny tsakarano.
Hitako torovana sy valaka mihitsy
ny endriky ny tenany niditra ny trano.


I dada aza moa dia io dia io indrindra
no nampalemy azy eo ambonin' ny fandriana.
Potraka nianjera ka tsy afaka mamindra,
ny mbola hitsanganany: tsy hay hoe rahoviana.


Mpanasa lamba i neny tsapako fa mafy,
manohitra ny fiainana mikiry tsy ho lavony.
Miangavingavy mpanana sy miezaka miafy
amin' ireny latsalatsa sy irony avonavony.


Izaho kosa ity efa taona maro lasa
no niala ny sekoly sy niandraikitra ny saha.
Rehefa sitrana eto dia rafitra miasa
mandamina ny trano mandray ny raharaha.


Bongo kely ity izay no mba fialofana,
tanimbary tokana sy tanimboly iray.
Zara raha mitafy sy manan-kirakofana
saingy ekena fa anjara, voasoratra ho anay.

20 Martsa 2016
--------
Rohy:
176 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IARANTSOA Mahefa
Nampiditra : iarantsoamahefa
Daty : 14/09/2023 10:13
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158