AZA MITIA RAHA MBOLA TSY VONONA (IARANTSOA Mahefa)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hikiky ao foana ny tsiaro ny lasa
raha toa ka fihinina anatin'ny fo,
hanaikitra foana raha toa tsy voasasa
ny ratra navelan'ilay teo aloha.

Dia ho rovitra foana ny diary vaovao
raha tsy sainina tsara ny omaly efa dila,
sy ny dison'ny lasa tsy nety natao
mahatonga ny fo ho mpamadi-takila.

Hifandimby eo foana ny ampitso sy anio
fa tsy hisy mamy mba tiana hiverina
dia ho zary tafiotra ny voly tadio
hitsako tsy misy ny ngidin'ny nenina.

Hihisatr'eo foana ny fiaram-pitiavana
mba nokolokoloina niharetana ady,
fa fositra kely tsy tena goavana
no singam-bolo hamarin'an-kady.

Hiarao manorina ny andry hijoroana,
mba ho vatolampy tsy ho ravan’ny ela.
Soraty ho velona tsy hay vonoina
‘reo andro sy ora ‘zay sisa tavela.

Saingy bitika ihany ireto voambara
ny ivo sy tendro no hany voatonona,
fa ataoko ho fehiny mazava tsara
hoe AZA MITIA RAHA MBOLA TSY VONONA.
--------
Rohy:
296 1
Mpakafy: IARANTSOA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IARANTSOA Mahefa
Nampiditra : IARANTSOA
Daty : 20/07/2023 16:59
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1194