EFA FANTATRAO (IARANTSOA Mahefa)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa fantatrao sahady
ny mahasoa sy mahatsara
na tsy mivavaka aza.
Izaho mifofotra mitady
fa Ianao no mitsinjara
izay tokony ho sahaza.

Soa Ianao fa teo
ry Ray sy Zanaka Fanahy
Andriamanitra inoako.
Na inona hiseho
tsy manana ahiahy
ny saiko sy ny foko.
--------
Rohy:
257 1
Mpakafy: iarantsoamahefa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IARANTSOA Mahefa
Nampiditra : IARANTSOA
Daty : 20/07/2023 17:14
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153