FAHAFIRY (IARANTSOA Mahefa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fahafiry aloha aho malala ?
Fa toa mampisalasala
izato toetranao,
mahay izao rehetraizao!

Sao dia efa fahafolo?
Fa toa mapitsangam-bolo,
ary tena mahagaga loatra
ny fahasahinao tafahoatra!

Raha fahatelo;lefitro ihany,
Fa angamba mihotr’ izany!
fa tena mampirarak’ivy,
sao kosa fahasivy e!

Fahafiry ho’aho;fahafiry?
fa dia midiridiry
ny fahaizanao fitia:
mahavalalanina ny aty!

Ianao izao no voalohako,
ka miasa be ny lohako
sao ianao dia tsy sahaza
ity foko mbola zaza!

Mba tiako ho fantarina,
hoe fahafiry marina?
Mafinaritra;mangirifiry,
ka valio re fahafiry?


05 Martsa 2013
--------
Rohy:
139 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IARANTSOA Mahefa
Nampiditra : iarantsoamahefa
Daty : 14/09/2023 10:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0684