FITIAVANA DAHOLO (IARANTSOA Mahefa)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
...Izany rehetra izany, fitiavana daholo!
Voahosy tamin-tany dia nanjary torotoro
ilay fo tsy manan-tsiny niezaka nitia,
saingy niarina satria...
Any ho any koa,
misy fo marary ankona sy torana,
misy koa mijaly miharitra fatorana.
Misy sasa-miarina, misy leo sy tofoka
misy voageja tsy afaka mikofoka.
Fa misy ny afa-po fa tojo ilay sahaza
misy vao nifoha ka manao fitiavan-jaza.
Ao 'reo tia mandrava sy mpialonana ny namana
ny an'ny hafa hatrany no tiany mba handramana.
...
Misy vao mitady ilay tokana ho anjarany,
misy tsy mikajy ny eo am-pelan-tanany
fa variana mihanihany sy tia misolosolo,
f' izany rehetra izany, fitavana daholo.
2016
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : IARANTSOA MahefaNampiditra : iarantsoamahefa
Daty : 14/09/2023 10:15