HINIANA SA TSY FIDINY? (IARANTSOA Mahefa)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Masina 'lay dina sy sonia an-taratasy
ka hiangaviako ianao aza dia zimbaina.
Io akory akia tsy hoe teny malagasy
ka avela ho potipotika sy tsy hiasana saina.

Ilay voadiko iny mantsy na hisetra vava basy
tsy hivadika aminao, na kendaina na vonoina.
Io akory akia tsy hoe riba malagasy
ka atao maty hitsaka sy levom-pandrosoana.

Aminao ilay fitiavako ka tsy hifindrafindra lasy
n' inona kilemanao ara-tsaina sy ara-batana.
Ny foko mantsy akia tsy tany malagasy
k' ireo vahiny indray no hahazo avara-patana.

Ny Gasy mantsy akia indrisy mahonena
fa tsy mba saro-piaro amin-java-tsarobidiny.
Isika tonga saina no manongonongo tena
fa asa loatra hoe hiniany sa tsy fidiny?.


12 Novambra 2016, 10:45
--------
Rohy:
163 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IARANTSOA Mahefa
Nampiditra : iarantsoamahefa
Daty : 20/09/2023 09:11
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0603