IO ORANA IO (IARANTSOA Mahefa)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala a,
Izaho kosa aloha tsy hivoaka amin'io oran'io,
fa angamba adaboy ilay fotoanantsika anio.
Mamirifiry,mampienjera,moa mandoto akanjo,
aleo rahampitso raha toa ka tsara ny andro.

Ny fandrinako ato mantsy tsy satriko ialana,
ka na tiako aza ianao,ny eto mafana dia mafana.
aza dia omena tsiny fa tsy hoe fitavan- tena
raha hivoaka any anio ho hotsaka sy lena.

Ka tsy aleoko ihany eto, ato anaty botofotsy
mihaino hirahira sy feo mandrotsirotsy,
na miverina matory mba hanonofy mamy
toy izay hijaly handeha hampiraka any.

Moa simba koa akia ilay aro orana sy elo
ka tsy afahako mivoaka na dia malahelo.
sady tapaka ny lalana ka tondraka ny rano
ka angamba fahendrena ny mijanona ato an-trano.

Febroary 2014
--------
Rohy:
214 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IARANTSOA Mahefa
Nampiditra : iarantsoamahefa
Daty : 14/09/2023 10:19
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0958