KANEFA TSY METY (IARANTSOA Mahefa)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aviliko foana ny masoko hidify,
tsy hifanojo amin'ilay jerinao.
Kanefa tsy mety vao miha mitampify
mandinika tsara ny salovanao!

Ferako foana ny molotro hangina,
tsy hirediredy ilay endrikao kanto.
Kanefa tsy mety na oviana n'oviana,
ny anaranao foana no voantsoantso.


Tapenako foana ny sofiko roa,
tsy hahare intsony ny angola sy kalo.
Kanefa tsy mety fa raha vao mifoha,
d'ireo hiranao no reko mandalo.

Tiaviko foana izay sendra ny foko,
tsy hifantenako toetra sy bika.
Kanefa tsy mety fa mbola tsaroako
mibahana ao foana ny tantarantsika.


15 May 2013
--------
Rohy:
231 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IARANTSOA Mahefa
Nampiditra : iarantsoamahefa
Daty : 14/09/2023 10:21
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1495