MAMITA-TENA IANAO (IARANTSOA Mahefa)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mamita-tena ianao
raha hilaza hoe TSY TIA!
Fa hatram'zay k'hatram'zao,
ny fihetsikao rehetra
miantso hoe avia;
hifanolotra fitia!

Hinoako marimarina,
ary tsy sarotra fantarina
fa fihetsika amboarina
ny teny hoe TSY TIA.

Ny masonao mijery
somary mody miery,
te hibanjina mahitsy
segondra vitsivitsy!

Topi-maso toa misarika,
nefa mody mba mangarika
sy injay mivoara mena,
rehefa mba jerena!

Dia mody mba tsy mila,
kanefa rehefa dila
toa ny amiko hatrany
no resak'any ho any.

henatra angamba
no mampihambahamba?
Ny marina dia izao:
MAMITA-TENA IANAO!

30 Novambra 2013
--------
Rohy:
178 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IARANTSOA Mahefa
Nampiditra : iarantsoamahefa
Daty : 20/09/2023 09:13
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0758