NY TENIKO (IARANTSOA Mahefa)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsia... aleoko miteny sy mivazavaza
raha mbola misy ny lesoka tazako,
mbola hanitsy sy mbola hanazava
fa masin' ianao ry ilay tenindrazako.

Aleo vaky sofina, aleo ho marenina
ireo tsy mivoatra kanefa nanarina,
fa na iza na iza tsy maintsy tenenina
raha mbola minia mandiso ny marina.

Fa mba firifiry iretsy vahiny
izay mitsiriritra ireo voambolako,
maminy ery ary tiany dia tiany
ilay lantolanton' ny kalo sy angolako.

Ny vavako ny ahy tsy manahy ny ho tataka
fa ataoko ho sorona, ary tsy afeniko, fa...
tsy ho sasatra mihitsy ary mbola mangataka
mba hanajana ny hasin' ny teniko.
--------
Rohy:
252 1
Mpakafy: iarantsoamahefa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IARANTSOA Mahefa
Nampiditra : iarantsoamahefa
Daty : 21/07/2023 05:21
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144