SAROTRA HANARINA (IARANTSOA Mahefa)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miala, matesa, ary vereza faty
tsy lefitro intsony ny zava-miseho.
Tsy alika aho akory ka mbola hitaty
ny ota sy faika tsy laninareo!

Maro ny adala sy diso fatsora
lambolamboina amin’ ny saotra sy doka.
Tsipazana sisa dia manaiky mora
miaritra ny eso sy ireo fokafoka.

Voady sy toky aman-jato sy arivo
no nenti-nambabo ny fon’ireo osa.
Ataovy ny kajy ary mba tsiahivo
hoe firy amin’ireny no tena tontosa.

Ny paosinareo sy ny fiara sy trano
nilofosanareo, ary tena nazoto,
fa ny vahoaka nidiran’angano
toa miha mihosona anaty maloto.

Fa firifiry amin’ny tany mahantra
ity Gasikara no tsy ho tafarina?
Ka avy izahay amin’ny antsy maranitra
hikapa ny lohan’ny sarotra hanarina
--------
Rohy:
203 1
Mpakafy: iarantsoamahefa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IARANTSOA Mahefa
Nampiditra : IARANTSOA
Daty : 20/07/2023 17:42
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0248