TENA TIAKO IANAO (IARANTSOA Mahefa)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tena tiako ianao satria…
tsy haiko hoe nahoana no tiako toy izany,
tsy mety mba voavaliko raha misy manontany
hoe nahoana... nahoana ianao no tiako?
fa ny fantatro dia izao; tsy mba zavatra niniako.
Kisendrasendra angamba? tsy sahiko ekena,
fa tsy misy valin-teny azoko omena!
Vintana sa tendry? Sa lahatra sy anjara?
tsy haiko, tsy tena haiko tsara
izay mety ho niaviany marina,
fa misitery toa sarotra takarina.
Adala ve ny foko ka mitiatia foana...
nefa tsy hainy hoe nahoana?
Angamba!
fa ny fantatro dia izao:
TENA TIAKO IANAO.
--------
Rohy:
298 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IARANTSOA Mahefa
Nampiditra : iarantsoamahefa
Daty : 20/09/2023 09:09
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145