AVELOM-PITIA (Ifanomezantsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AVELOM-PITIA

Raha sendra tafapaka
Any an-tokantranonao
Izany kalokalo eto izany
Dia aza asiana fitserana
F’avelao fotsiny hiserana!
Aza arahina tomany!

Raha tsapanao ao
Ny tandindon’ny efa vita
S’ilay fitia tena mamy,
na ny alaheloko ny lasa
sy ny tanjona kinasa
dia aza arahina tomany!

Fa ny sarotra diaviko
Tsy azonao izorana.
Tsy nahazatra anao izany!
Koa raiso ny fivoy,
Malala hafa no antsoy
Hampiravo fo tomany.
Izany kaloko eto izany

‘lay noventesiko fahiny,
fony lavo ny fitia
nilokàna tsy hamidy
nefa indrisy ratsy hidy
sy mora nikodia.

Hira mahonena
Sy antsam-pamoizam-po
Mba andefasako vinany.
Tsy maintsy ho hiraiko
Ho solonao ry aiko
Ka aza arahina tomany.

Raha sendra mifanena
Ny vinanintsika roa
Aza andoram-pati-bolo
Fa ny avelon’ny fitia
No hanitsy indray ny dia.

Maevatanàna, RN4
01 jolay 1996 (22h05)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
1594 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ifanomezantsoa
Nampiditra : Ifanomezantsoa
Daty : 06/03/2006 06:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098