You are here: home > Vetso

Aoka itsy ry foko ! - Ikalamako

Tepotepo-pitoniana
Tebitebim-panahiana
Ontanontam-pahatairana
Ketoketo-panaintainana
Dobodobo-pifaliana
Ontsaontsam-pahoriana
Sentosento-palahelovana
Entanentam-pahasambarana
Efonefon-kasosorana
Emponempom-patahorana

Setra, sedra, kiry, oitra
Nifaninana ombieny, zary nahaosa
Nefa aoka itsy anie ry foko !!!
Aza avotsotrao ny aiko
F'ikalatokana lalaiko
Tsy maintsy mbola hotafitaiko.


Martsa 2013

Hevitra mandeha

fahamarinana (25/03/2013 13:40:53)

youhou ou ou ! Fo hendry mi-"adaladala" mila bedesina kely angaha zao fo resahandriko anaty Tononkalo zao, aok'itsy :)
Faha

ikalamako (26/03/2013 08:42:51)

zé iray tsika jojoka hozy i tsiliva zay kanouh krkrkkrr

fahamarinana (26/03/2013 20:38:53)

hi hi hi ! Ripaky ny hehy, ah zalahy e! :D

hery (05/04/2019 17:19:05)

Nitony ihany ny fo :-p

ikalamako (05/04/2019 19:21:26)

hahaha impiry tenenina fa eee