Dihy (Jean-Joseph Rabearivelo)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DIHY

Ritsodritso-baliha telo
Dobodobok'amponga tapaka
Lokanga dimy indray dinidy
Sodina taolana tsara loaka.

Io misonenika Ratovovavy
Miankanjo manga marain-droa
Ny lamba valaka mavokely
Raozy gasy ao anaty volo.

Tsaokam-bero sa bararata
Mihararetra eny amoron' ala
Tsidintsindin' ny andro meva
Sa angindina manga eny an' ony.

Io misonenika Ratovovavy
Moana tampoky ny fiadanana
Valiha telo, amponga tapaka
Lokanga, sodina no indray henoiny.

F'injay ny molony mangovingovitra
Ipololoran' ny nofonofy
Tsy toha intsony ka zary kalo
Dia lasa hira nony avy eo.

Mba ontsa koa Ravaviantitra
Ka io mirotsaka mba mandihy
Mitari-joro ny ila-sikiny
Dia toy ny androny mirefarefa.

Tsy kalokalo na hirahira,
No mampifelana izato endriny
Ranomaso no mamonto azy
Mahatsiaro ny mafy rehetra.

mahatsiaro toa fenomanana
Efa ho rendrika sy tsy ho hita
Inty mihintsana ny lohataona
Zary fasana ravi-maina.

Dia mifanojo ny lohatoandro
Ny tondro mihantsin-dRatovovavy
Sy ny tondro fola-dravaviantitra
Samy tanteraky ny hazavana.

Mifanojo ka toa tetezana
Ifanohizan' ny alin-kely
Efa foy eny an-tendrombohitra
Sy ny andro maraina maneno akoho.
--------
Rohy:
Sokajy : Kolontsaina - Fiainana
9822 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117