Ho an'i Dr Rawelas (Ry voro-manidina mora malako) (Jean-Joseph Rabearivelo)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry voro-manidina mora malako
Aiza no hody ?
Ry foko tanora malemy sy bako,
Moa mba ho tody ?

Mangina mangina ka aza mamaly !
Aza mitafa !
Ny ampitso sy anio dia tahaka ny omaly,
Tsy misy hafa.

Na ampitso na anio, na oviana na oviana
Tsy hafa tsy akory ;
Ny baikon’ny velona : Tsy mba fanahiana
Amin’izay mampahory.
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fiainana
172 1
Mpakafy: Minoamboara
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139