TSY HITONY TSY AKORY - Jean-Joseph Rabearivelo
Azo vakiana?
TSY HITONY TSY AKORY
Na dia misy olon-tiana
Hanakely ny mahory,
Sy hitondra hafaliana -
Tsy hitony tsy akory !
Na dia misy anjely soa
Hanafoana sorisory,
Sy hamalifaly koa -
Tsy hitony tsy akory
Na dia manan-kery aza
Ny fitia mamorivory,
Dia sahiko ny milaza:
Tsy hitony tsy akory !
Tsy hitony tsy akory
Fa diso ny finoana
Ry raozy e, esory
Ny tsilo manoloana.
Tsy hitony tsy akory
F' efa diso fanantena !
Ny foko avela hatory,
Hanadino e, ry sena !
Eny indrisy ! tsy hitony
Fara hery : manadino.
Fa ny tsy ho tia intsony
'Zany kosa, aza mino !
JJ. Rabearivelo
Hevitra mandeha
mangamaso (06/09/2009 11:07:03)
Tiako mihitsy ity tononkalo ity :)
rhina (07/09/2009 05:25:14)
tsara lo le tonokalon'i jjr fa zao: ai le ngidiny @ zavatra soratany ve zany niainany mints zay no nahatonga azy namono tena e!!! sa ahona ry reto a!!!
mba manitikitika ny saina
Nihelo (08/02/2015 12:43:13)
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Jean-Joseph Rabearivelo

Nampiditra : Moundzee
Daty : 07/04/2009
Mpamangy : 15707
Mankafy : 6
Tononkalo hafa
Aza anontaniana izay anton'izaoPays natal
Dihy
Ny Alahelon'ny Olombelona
Nosoratana tao anatin'ny fangorakorahana
La Nouvelle Tombe
Eritreritra Fahavaratra
Tanala Very Sampy
Tsy Embona
Fo Mitohy