You are here: home > Vetso

Ny Alahelon'ny Olombelona - Jean-Joseph Rabearivelo

Azo vakiana?


Ny Alahelon'ny Olombelona



Injay manako moramora,
toa ra mipololotra,
feo kely feno akora,
sady latsa mafy loatra,

Mitampody indray ny lasa,
ka mamoha ny efa maty,
zava-bery tsy voakasa,
sady vata hoboka aty.

Ao ny sasany tomany,
ao koa ny ketra-po!
Hisentoako eto izany,
Holazaiko ny manjo.

Fo kely iray maratra,
notsaingohim-boron-tiana,
hafaliana mahazatra,
izao re itomaniana!

Voronkely nantenaina
hiaraka ory, hiara-paly,
kanjo dia naningotra aina,
kanjo kosa nampijaly.

Safosafo tonga hoho,
tonga ratra sady fery;
hasambarana miamboho,
mba tadiaviko, ka miery!

Vata vola tsisy vody,
tsangambato very laza,
sambo vaky tsy ho tody:
ray sy reny maty zaza!

Voninkazo nokoloina,
nefa kosa ka nalazo!
Rehereha namboloina,
vao tazana dia tsy azo!

Ho lo ny ra sy ny nofo,
'zay nafindra tamin'iny!
Ny hafaliany mantsy hiofo
ho tadidy ny fahiny!

Voronkely rava akany
Zanak'ondry dia manjeny,
singan'aina ambony tany:
Ikala maty ray sy reny.

Bodo zatra tambitamby,
sy tamana angotongoty,
Vao maraina dia somamby
izany andron'ny kamboty!

Andry koa re ka lavo,
hantahanta aiza intsony!
Ny fo mangorak ilay Avo
no sisa hampitony!...

Aiza kosa re, ry tany,
izay mba mamy entinao?
Sa toloko sy tomany
no hitana lava izao?

O! afero sy mangidy,
izany ihany no fisotro,
simbanao ny sarobidy,
nitokiana sy nitrotro!

Nantenain-ko Paradisa,                                    
ny fotoananao tontolo,
kanjo tany hay madisa,
feno angatra sy lolo!

Jean-Joseph Rabearivelo

Sokajy : Alahelo, Fahafatesana

Hevitra mandeha

badoul (27/04/2012 18:15:08)

hafa iany ny andrarezina an!misaotra e.

rugebina (14/11/2014 12:35:03)

mivoaka tsara araka ny ilana azy

narasoa (19/04/2015 14:19:14)

afa tanteraka ny malagasy
!tsara tena tsara

ramasinavalonanicals (09/03/2017 17:36:38)

zany ka tonokalo tsar e!!!

Hametraka hevitra

Midira aloha