Naloan'ny fasana (Jean NARIVONY)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia nody ny tafika fa avy nandresy, nirava ny toby
Ka heno manako ny antsa misesy narahina hoby
'Reo foloalindahy nomban-janahary nirehi-pamindra
Tsy resy tan'ady sy tsara mpirary ka mirana indrindra

Somebika faly ny tao an-tanĂ na nifampiarahaba
Hatraiza hatraiza dia nisy korana nomban-tabataba
Kanefa indrisy !!tanatin'izany Rahatriniala
Dia re nitoloko sy heno tomany nilaoza-malala

Ravalo, hono, maty nanolotra ny ainy ho antoky ny ady
Ka very ny toky nampanantenainy ka very ity vady
'Lay hany domoina mamin'ny fony nidaosam-papango
Ny fainany zary tsy sitrany intsony fa feno farango

Rehefa ho tapitra, hono, ny fetra aharetan'ny saona
Dia tonga ireo naniry rehetra nitady hihaona
Kanefa Rahanitra tsy mba nandray ny fitia kolokolo
Nilaozan'ny vary ka mandrakizay tsy mila mpisolo

Niroso ny jono, nitranga ny vovo fa tsy nahavoa
Ny antitra trema ny sidin-jatovo niseho avokoa
Kanefa ny vola sy endrika kanto tsy nanana hery
Nanoro niangavy ireo hanam-binanto fa tsy afa-nanery

"Ny ahy ny foko ry dada sy neny tsy ketsa nafafy
Ka haiko afindra ombieny ombieny fa aleoko mihafy
Ny ahy ny fitiavana latsaka anaty maningotra ny aiko
ka aoka hanaraka ilay efa maty tsy afaka an-tsaiko!"

Dia nofiny, hono, indray alina izay 'Lay tiana eram-po
Nivoaka naloan'ny fasana indray tsy simba na lo
Dia tamy namafa ny tavany, hono, izay feno tomany
No sady nandrehitra ny afo voavonon' ny fanantenany

Kinanjo karazan'ny embona ihany ty nofiny soa
Fa indro ilay efa natelin'ny tany Nitranga tokoa
Nitsaha-piavy ilay ora-mandriaka nanako-masoandro
Nisava ny rahona ka nibaliaka ny taratry ny andro

Tsy maty Ravalo fa nony naratra dia lasan-ko babo
Ka tonga tan-tananan'izay olona antra mba nety nitsabo
Rehefa vimbin'ilay fitondrana tsy misy ahina
Ka indro efa tody an-tany nialana Ravalonirina

Ny tena fitiavana, hoy aho, mantsy dia mandrakizay
Voarohin'ny tady tsy tapaky antsy ny fo mifandray
Ny senton'ny lavitra mety ho heno miampita tokoa
Rehefa fitiavana iray no mameno ny fon'olon-droa!!
--------
Rohy:
6279 6
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jean NARIVONY
Nampiditra : joseclaudio
Daty : 11/09/2015 09:40
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103