TEBITEBY (Jean NARIVONY)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voronkely anaty akany, taitran-javatra nandalo :
Toa hahazo fitahiana, toa ho sendra fahavalo,
Toa hiravo, toa hijaly : soa sy ratsy indray miheby.
Hoatr’izany re ny foko izay nidiran-tebiteby.
Miandry ny orana ho tamy, toa ho sandra ny andro maina
Ka mangetaheta fatratra ao an-tany karankaina.
Miandry ny andro maina kosa, toa ho orana mandriaka
Manantena hafanana, toa ho sendra ny hatsiaka.
Eo am-piandrasana eo no ahitany fa indreny
Misy vorona "fambara",nefa samihafa teny
Ka ny iray, milaza soa (dia ny fanirian-tontosa)
Nefa re ny faharoa dia manambara loza kosa.


Foko ilay mitady vonjy, zaza very miantso ray,
Ka mandre mirodorodo vao mitsangam-bolo indray.
Toy ny namana marary, miandry tenin-dokotera,
Ka ny tokiko mijoro no atahorako hianjera.
Eny, f’izy ihany koa ilay nahazo fiampangana,
Ka tsaraina, ary izao dia miandry didim-pitsarana,
Toy ny sambo saron-javona miezaka tsy miato :
Toa ho sendra fitodiana, toa ho tojo haram-bato.
Dia midobodobo-dava ao anaty tratrako ao,
Raha tsindriana mba hangina dia vao mainka koa manao :
Nony asaiko manatena, tsy mba mety-Asa lahy !
Fa mandroso tebiteby sy mitombo ahiahy !
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy - Fitiavana
6832 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jean NARIVONY
Nampiditra : jdd.rakotozafy
Daty : 03/06/2016 16:49
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103