You are here: home > Vetso

Vonim-boahirana - Jean NARIVONY

Mipoitra moramora
'Lay vony vao tanora,
Mivelatra baliaka
Toa endrika sariaka.

Ny rivotra mifafy,
'Zay tsy mamely mafy,
No indro mampandihy
'Lay haingon'ny farihy !

Tazanina eny am-pita
Ka bako sady ngita :
Midola fa tsy kamo
Ny vonin-dRatatamo !

Miaingitra aok'izany
Maneho ny hatsarany ;
Fa voninkazo soa
Tsy manam-paharoa !

Ataony maharavo
Ny mba hisondrotra avo,
Handao ny fietrena
Ka hampidera tena.

Kanefa miova ihany
Izany toetra izany
Rehefa tonga voa
'Lay voninkazo soa !

Ny lalina no sisa
Ataony Paradisa ;
Misitrika izy miery
Kanefa tsy mba very.

'Zay revom-pisehoana
Dia voninkazo foana ;
F'izay manetry tena
No feno fahendrena !


Hametraka hevitra

Midira aloha