Ny tia sy ny manina (Jean NARIVONY)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa mihaona ny tia sy ny manina,
Omena seza mba hisonanina,
Rosoana sakafo, tolorana hanina,
Satria mpanambady ka ampiadanina.

hatramin'izao izy ireo dia mpivady
Voatana kofehy, voagadran'ny tady
Ka tsy afa-mihenjy na hoe "mibalady".
Ny tia manko resy, ny manim-boafady.

Kanefa tsy "gadra" mitohy falafa,
Mivimbina daba, milanja kofafa,
Manao asa an-tery tsy afa-mitafa,
Fa gadram-pitiavana kosa ka hafa.

Ny tia sy ny manina mantsy ka babo
Kanefa tsy babo tsy misy mpitsabo
Na babo mijaly totofana jabo,
Fa bobom-pitiavana roa mifamabo.

Rehefa mihaona ny tia sy ny manina
Asaina milahatra mba ho tazanina,
Ka na atrehina na sompiranina,
Deraina fa meva tsy misy hokianina.

Ny olo-manatrika samy mihoraka;
Ny lohan'ny mpialona kosa mivoraka,
Ireo tsy mba faly maniry hitoraka,
Izay diso tetika dia mivaroraka!

Ny tia manko tsara, ny manina "raitra"
Ka he mianjonanjona fa mba tsy taitra.
Galona, lopotra ka samy tsy laitra;
Fitia mifandanja fa tsy mba haitraitra.

Fitsofana rano no atao vary raraka,
Hateza roritina ka tsy hisaraka.
Dia roahina hody tsy misy arakaraka
Fa samy azon'ody k'avela hiaraka
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
12546 10
Hevitra mandeha
zakilinina ( 15/07/2006 11:48)
Izany ka tononkalo !
Ireo tononkalo maro nahazo isa 5 sy fandokafana dia tsy azo ampitahaina velively amin'ity tononkalo ity.
jdd.rakotozafy ( 01/10/2014 04:50)
Tsy misy tomika!
rafenomanantsoasantatra ( 25/08/2016 20:04)
zany ka tononkalo.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jean NARIVONY
Nampiditra : tia
Daty : 01/07/2006 09:04
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0202