RAJAKOM-BAZAHA (Jean NARIVONY)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Jereo ity Rajako fa hoe lasa ambony
Ka tsy mba miharo amin' ny namany intsony
Niofo ka tonga Vazaha lehibe
Fa efa mandroso, na sivilize!
Nomem-pataloha sy satro-baonetra,
akanjo jaby na didy jaketra;
Ny salotra anatiny asiam-pehitenda
Sy kaolina henjana mila hahakenda.
Mahazo latabatra fisakafoana,
Mampidin-divay ho rano sotroina,
Mifoka sigara rehefa mba voky,
Mamela-gazety, manokatra boky,
Mivimbina tehina nony mamindra,
Manao solomaso ka fatratra indrindra.
Dia jenitra i Jako fa "tsara tarehy";
Ataony ho dera ny akora sy ny hehy!
Ny tompony izany dia mody mandoka
Kanefa ao anatiny dia manafoka!

Mba inona isika izay be fakan-tahaka,
Mangilatra ivelany toa voronkahaka?
Fiteny sy fomba nadika avokoa
Fa ny an' ny tena..."valalan'amboa!"
- Aleoko manandratra izay nentin-drazana
Na dia mavomavo sy vitsy mpitazana,
Toy izay kevokevoka maro mpizaha
Kanefa fosaina: Rajakom-bazaha.

Jean NARIVONY (1898-1980)
(Amboaran-tononkalo, tak. 175)
--------
Rohy:
22989 13
Hevitra mandeha
kiriah ( 30/08/2010 16:17)
marina loatra izay voalazanao ka na izaho avy aza no toa tonga saina sao mba efa nisy fotoana nitondràko tena toy ny RAJAKOMBAZAHA.
soamaeva ( 01/04/2011 14:14)
Tena tsapako tokoa fa izaho zay dia tena miaina toy ny RAJAKOMBAZAHA satria na ny fitafy sns... dia tena manalacvitra ny fombandrazana fahiny,asa... noho ny fandrosoana angamba fa na izany aza ny tenindrazako dia tena mamiko na dia ety an-tanin'olona aza aho
andry 1000 ( 14/03/2015 04:12)
Marina fa mila hajaina ny tenindrazana!!! fa mila ianarana koa ny an'ny hafa!!! de raha ankehitriny efa mivoatra isika..ohatra raha mpiasa birao ambony de mila manao mianjaika kosa angamba e!! miala tsiny ary ahitsio raha misy diso lazaiko an! Andry 1000
rosa15 ( 02/12/2015 16:00)
Raha ny fiainan_tsik M/sy @izao fotoana izay dia ef tafiditr ao anatin'n fiainan_drajakom_bazaha mihits,na eo @ fiten io na eo @ fitondran_tena toy n fitafy
sipakoely ( 08/12/2016 05:51)
andry 1000: Nomem-pataloha sy satro-baonetra,
akanjo jaby na didy jaketra;
Ny salotra anatiny asiam-pehitenda
Sy kaolina henjana mila hahakenda.
...........................................
Mivimbina tehina nony mamindra,
Manao solomaso ka fatratra indrindra

Fa tsy voatery ho ireo no atao hoe fitafy mianjaika hoentina miasa any amin'ny birao ambony
rakotobriac ( 14/06/2020 08:50)
Salama,
Mba te hanamarika ilay mpanonona amin'ny "VERSION audio" azafady, Tena mba hajao re tompoko ny marimpiatoana fa voadingana daholo ny ankamaroany(Misy tsoraka ao, misy tebo-mpanontaniana....). Lasa manenjika rima fotsiny ilay mpamaky mazana, tsy amin'ito irery fa hatrany ambadika any. Ny mpandika koa matetika manadino ny mametraka ny marimpiatoana, hany ka lasa miova ny firefitr'ilay tononkalo.
Mankasitraka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jean NARIVONY
Nampiditra : loharano
Daty : 02/12/2006 12:11
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148