Ankason'ny tany (Joh)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manahirana tokoa ny fiainana
Misondrotra daholo ny zava-drehetra
Na kely na lehibe tsisy hanavahana
Fa ny hita sy re, ny olona manjoretra

Izany tokoa ve no voasoratra
Sa isika mihitsy no mandika ny misy
Ka lasa manome tsiny An'Andriamanitra
Te hiteny koa hoe: tsy rariny ny zava-misy

Ny tsy mieritreritra fa mandeha amin'izao
Ny hany mba vaha-olany de ny fidorohana
Heveriny fa ampy hanadinoany ny fisianao
Ry Ankason'ny tany mitady vahaolana

Tsarovy tsara anefa fa ny Ankason'ny Tany
Io no manjaka amin'izao fotoana izao
De manjary ny fiainana no miha-mafy hatrany
Tsy eto Madgasikara ihany fa eran'izao tontolo izao

Ny hany azo atao mba handresena izany
Raha mbola velona sy miaina ihany koa
Apetraho amin'Andriamanitra hatrany
Ny zava-drehetra de tsy hisy hikoa

Fadio mihitsy ny tsindrio fa lavo
Na koa tia tena tsy mahalala ny hafa
Ho resy ny Ankason'ny tany izay nandavo
Ka i Madagasikara handroso tahaka ny hafa
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/joh/ankasonny-tany
Sokajy : Alahelo
1334 1
Hevitra mandeha
eh ( 16/08/2005 15:32)
marina io lazainao io petit รข! mahay enao!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Joh
Nampiditra : Lepetitbeau
Daty : 16/08/2005 10:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.155