You are here: home > Vetso

FIFONANA - JOHARY J

Hidera Anao aho anio Jesoa ô
hankalaza ny anaranao tokoa
fa be ny fitiavanao, mafy ireo izay nolanjainao
noho ny ota izay vitanay tety

Aza ny fahotan'ny fahatanorako
na ny ratsy nataoko no tsarovanao
fa aoka ho araka ny Famindram-ponao
no hatsiarovanao ahy
Noho ny fahasoavanao Yaveh ô
no nahatoy izao ahy

Hifonako Tompo izay vitako hatrizay
tsy haveriko intsony fa voa aho dia fay
indro honerako hira; fiderana ny Ray
tsy tambiny akory, fa talenta ny anay

Sokajy : fanantenana, Vavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha