Teny MALAGASY (JOHARY J)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahaiza ianao miteny
fiteny Malagasy
fa aza mba ovaina
sy tsy mangala-tahaka
na ampiadiana RIMA
ny amin'ny tenin-dreo vahiny
fa aoka ho tena Gasy
teny Gasy rano iray
no ho eny imolotrao

Fa soa sy tena kanto
ny miaina hoe Malagasy
tsy mampitsanga-menatra
toy ny miteny ratsy
fa mampijoro ivohin'ny olona

Raha mba mandika ianao
iny Ranomasina
fa miavaka sy tsara
ity Madagasikara.

Tano lahy ny teninao
tano fa aza mba boloky
asandrato mba hiavao
dia diam-peno mba ho boky.
--------
Rohy:
1907 2
Mpakafy: tsiambaratelo - zemjos
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143