You are here: home > Vetso

Ilay Vavy kely - JOHARY J

Azo vakiana?

Fa mamanala tokoa
Nefa ny andro mafàna
Lay tananà kely vao nilaozanao

Ka tsy mety ho tony
Misamboaravoara
Ilay dobo kely falehantsika


   Tsy androany ianao iny no hiverina
   Tsy hanantena koa aho rahampitso
   Fa hiandry foana aho tsy ho kivy
   Fa tsy hay hasolo raha ny toeranao
  
   Ny hafanana zary andro ririnina
   Mamirifiry ka mila tsy ho zaka
   Raha teo ianao mantsy io mbola hafa
   na kitroka aza zary ho mazava


Mazanà tsy tana
Raha manembona anao
Ty vavy kely salovanao

Mampiandry tsy satry aho hoe
Hiverina ianao
Nefa asa raha mba oviana.

  
   Sisa fanantenana asa angamba
   Manolokolo ty solofonao
   mba tsy hamindro amin’ny andro mafana
   fa indro hameno izay toerana banga

   Ny lalanao no mbola izorany
   Ilay ambohim-pihaonana tsy fantatra tsara
   Mety any indray isika no hamitrana
   Ty anjara tsy mba notoavin’I Vintana

Hametraka hevitra

Midira aloha