Tiako raha ny Tanindrazako (JOHARY J)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry Tanindrazako malala
niangotiako hatrizay
tsaroako lalandava


Izato kantonao tazanina
mamerina ato an-tsaiko
ireo nofy faha-zaza


Ndreo reo Mponina ao aminao
samihafa raha fiteny
nefa toa mifankahalala


Ntaolo mantsy no filaza
ireo fahiny fahizay
dia 'reo Ray aman-dReninay

Sarobidy ianao raha samy
Firenena rehetra misy
tsy azo vidy na takalo
na indramina indray andro

satria Masina ianao.....

Tiako ianao ry Tanindrazako
tsy ho ekeko ho tany ngazana
satria nomen'ilay Nahary
Ho tananan-java-boary
vitsy hanisy eto an-tany
izay niangarana amin'ny maro
ka maha saro-piaro
na fiteny na ny fomba
na fisaina na ny toetra
miavaka izy tia vavaka
tia manao fahamarinana.

Ka tsy ekeko izany ankehitriny
fa miha-potehin-dreo vahiny
Ilay kolon-tsaina tena fototrin'
ny Soatoavin-dRazanay
indrisy ankehitriny miharingana sy May
Satria tiako raha ny Tanindrazako
ka hoareniko mba tsy ho ngazana
Manainga hantsika hifanampy
Ka ho fefena ho vatolampy
SATRIA TIAKO RAHA NY TANINDRAZAKO
--------
Rohy:
1758 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141