HAMPANDROSO SY MIHAINO (JOHARY J)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tonga soa ankehitriny
ilay andro nandrandraina
Ka nandresy ny Mpanohitra
dia tonga soa Ambotsirohitra.

Anefa izao no tadidio
tsy rahampitso na anio
fa miandry anao i Gasikara
mba hametraka tantara.

Fandrosoana no filamatra
fandrosoana mba ho taratra
tanteraho ny vavanao
mba ho porofo vaovao.

Mila anao ny Malagasy
raha ireny hafatrao ireny
HAMPANDROSO sy HAMATSY
sady MIHAINO RAHA MITENY.

Lafatra ny tanjonao
raha ireny no tontosa
dia ho foana hatreo ny fahantrana
Gasikara ho afa-trosa.

Omen-tso-drano ka ho ento
hahavita soa ho tena kanto
ka izahay vahoaka tsy hisento
fa hoAndry tsara ivohon'ny Vato.


Johary .J
17 mars 2007
--------
Rohy:
1368 1
Mpakafy: zemjos
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142