Dada (Lafatra)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na dada nandositra
nigafy tsotr'izao ny fifalian'ny neny.
na dada variana eny rehetrarehetra eny
fa tsy mahalala akory ny zanany anaty ady
Na dada manambady
..sy efa mananjanaka any
Dia tiako foana ihany!

Tsianjery efa laniko
ary tsisy miafina amiko zay dianao fahiny..
Voatantaran'ny neny ny mba faniriany
tsy hanarianao ity zaza tsisy tsiny
nefa indrisy tsy tanteraka..
Saingy izaho tsy reraka mitia na dia tsy tiana.


Asandratro etoana ny vavaka mangina
Mba hahatonga anao ho raim-pianakaviana
feno tanjaka sy hery.
Ary sanatriaviko eto izany hanao an-tery..
tsy hankalako an'i dada na hoviana mihitsy
Raha izay tsiaro ahy efa very.

Izay aloha no misy dia ekena mora fotsiny
f'indray andro any dada sy ny rotsirotsiny
ho tonga soamantsara aty..
Hatreto mantsy dada mbola mankafy
mbola mianoka hafanana sy tambitamby maro..
Dia zaho tsy saro-piaro e!
Manaiky ny lamina anaty fihafiana..
tia sy miandry foana na zaza tsy niriana!


Lafatra
--------
Rohy:
679 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lafatra
Nampiditra : hery
Daty : 07/09/2021 15:41
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134