Raha toa (Lafatra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha toa ka mbola ianao
No misarangotra ao am-pony
Kanefa izaho no hiarahany.
Raha mbola maminy hatrizao
Irony sarinao irony
Na efa nisarahany.
Tsy diso aho raha hiala.

Raha mbola ireo dia
Nataonareo etoana
No tazany ety amiko
Angamba tsy fitia
Fa fomba handokoana
Ny toerana nindramiko
Tsy fahotako ny hisitaka.

Raha mbola ny hamamiana
Niarahana nigoka
Tamin'ny taonanareo lasa
No nahatonga azy ho liana
Hitady Fy sy tsoka
Amin'ny hoavinay voakasa
Aleoko aloha midify.

Fa Hay aho tsy paradisany
Ary tsy ho tody izany
Ny sambokelinay
F'ianao mbola hitokisany
Hoe any indray andro any
Hierina eto indray
Ka fahendrena ho ahy ny handao.

Lafatra
--------
Rohy:
596 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lafatra
Nampiditra : hery
Daty : 30/06/2020 17:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139