Fongory (Lafatra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fongory anaty kajy ny misiko rehetra
Dia tandrovy tsara mihitsy ny tombotsoanao
Aza asiana maso ny foko manjoretra
Fa mbola hitraka ihany io rahampitso tahak'izao.

Tsy manda ny fombanao akory ny eto.
R'ilay mitotototo rehefa tojo fahoriana
Fa manafatra anao tsy hisahirana hisento
Amin'ny masoko efa bongon'ny tsy firaharahiana.

Tonga mantsy ianao rehefa kepoka avy tany.
Mahita ahy milefitra sy malemy fanahy
Izaho tsy hilaza ho zatra amin'ny raharaha toy izany
Fa ny fomba fiadinao no ilaiko hanofana ahy.

Lafatra
--------
Rohy:
550 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lafatra
Nampiditra : hery
Daty : 30/06/2020 17:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148