Harodako androany (Lafatra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Harodako androany ny nofo
najoron'i dada sy neny..

Ary ny fo sy ny saina
Avela hikoa hiaraka aminy
Fa ny voambolana "miaina"
Hatreto tsy reko ny maminy.

Hametrahako veloma masina
Iry hasambarana mpamilafila.

Ho velona handia fotoana
Anilan'ny izay tsy foiny any
F'izaho teto nila azy foana
Nomeny lamosina hatrany.

Nefa koa ho sitahako mora ny jaly amin'ity tany ity..

Ny ranomasoko very nipatraka
Nofy ratsy nandindona ahy teny
Ny fendrofendroko imbetika niakatra
Aloko sisa ho tazan'ireny.

F'injao efa manonjanonja ny faniriana ho akaikim-panahy..

Hitety ny habaka hafa
Nirin'ireo Ory hatrizay
Nefa koa mety ho nofy tsy tafa
Hidaraboka mandrakizay..

-Ooo..mihemora ry foko dia aleo ny saina hialoha lalana..

Fa angaha nanao heloka be
Ny misinao no dia lotoina
Jiolahy any am-ponja aza ange
Namono fa tsy mba vonoina
He diso toa inona moa?
Ny vatanao nirija teto
No tsaraina tsy misy indrafo?
Saino dia eritrereto!

Lafatra
--------
Rohy:
588 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lafatra
Nampiditra : hery
Daty : 30/06/2020 18:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129