Neny (Lafatra)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Neny a,
Toy ny hoe manofy ratsy
fa omaly toy izao ianao salama tsara.

Anio hariva kosa
maso tsy mandainga
no mahita anao mitsotra ambony farafara
Efa tsy haharenesam-peo.

Toa tsy mitombona amiko ny zavatra miseho
Saingy indrisy anefa
Tranga tena izy
tsy hahafahako milefa ny fandaozanao.

Neny mamy tiako a!
Nomenao lamosina izao tontolo izao
niarahantsika roa
nisedra fiafiana.

Ianao ilay mpilaza amiko hoe
"ny tany sombiniaiko,
afero sy hamamiana
Tsy dia azo ianteherana,
Aorian'izao,
misy tany fanamperana
efa miandry antsika."

Neny รด,
efa tonga izay ianao e?
Hono ho'aho ry neny,
hitanao izay dada e?

Any izay nareo,
hafaliana sy kotaba
no iainanareo any;

Tonga mantsy ianao,
nahavita ny hazakazaka
sy tolona an-tany.

F'ilay zanakao mahantra,
kotsan'ny tomany
Tsy mahalala izay ho afitsoky
ny sentony eto akory.
Tsy mahatelin-kanina
ary tsy mahita Tory
Fa toy ny olona adala
sy verivery saina.

Tsy mety manaiky hoe
lasa tsy hiverina
lay hany nantenaina
'lay reny nitosiana..

Tokoa Raha nanana elatra hoentina hiadiana
amin'ny fisarahantsika a?
Poa toy izay aho efa lasa..
efa tafampita
ny onim-pahafatesana mahery fanonja
Poa toa izay ry neny
tsy ianao irery monja
No nandao ny akany a!

Fa tsy Tompon-tsafidy aho
dia manoa ny fandaharana,
Anefa kosa efa manomana
ny diako ho any.

Lafatra 13/4/19
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Alahelo
772 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lafatra
Nampiditra : hery
Daty : 01/07/2020 18:12
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144