Hetaheta - Laharthe
Azo vakiana?
Hetaheta
Sadaikatra aho, tsy sahy
Te hilaza koa, kanefa...
Toa mbola miahiahy
Sao diso fiantefa
'Lay vetso ato am-poko
Miravaka fitia
Madera tokan-doko,
Miloka ny ho doria.
Mangovitra ireo molotro
Tsy mety mahatonona
'Lay teny saika hatolotro
Ka notereko hionona...
Vao mainka koa tsy tantiko
Ny hikobonany ao,
Mavesatra ny anatiko
Raha toa tsy ho henonao!
Mba hiezaka aho androany
Handresy ireny tahotra
Dia holazaiko ihany
Na mafy sady sarotra
Fa tena tiako ianao
'Zay ela nahababo ahy
Ka mbola hatramin'izao,
Am-poko sy am-panahy!
Fitiavana am-pehezana
No homen'ny foko ho anao
Ka aza ihomehezana
Na atao kilalao...
Fa iangaviako ianao
Hamaly ny hetahetany
Na tsy izao dia izao
Fa mafy izay niaretany.
Laharthe
Mombamomba
Mpanoratra : Laharthe

Nampiditra : Tolotrha
Daty : 29/03/2017
Mpamangy : 796
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
LisySifotra sa sokatra?
Ho avy any aho
Andao entiko ianao
Fivoarana hoe?
LAINGA TOKOA ...
Efa babonao
Tohatra fiakarana
Hadalàna
Tiavo mangina